PIKA SARY AN-GAZETY : ASONGADINA AMINA FAMPIRANTIANA MANDRITRY NY IRAY VOLANA

Asa fanaovan-gazety feno ny fakana sary ho an’ny gazety na ilay antsoina amin’ny teny frantsay hoe “PhotoJournalisme”, saingy mbola vitsy mpahalala.

Ny Mpanao gazety mpaka sary anefa no isan’ireo tena misedra ny mafy rehefa eny an-kianja.

Hanasongadinana ireo mpanao gazety mpaka sary sy ny asa ataony isan’andro hiantohana ny zon’ny olom-pirenena hahazo vaovao, dia nanokana ny volana novambra ho iray volan’ny pika sary an-gazety ny fitondram-panjakana amin’ny alalan’ny Minisiteran’ny Serasera sy Kolontsaina.

Noho ny fandaminana dia androany 15 novambra 2022 no nosokafana izay iray volana izay ary tsy hifarana raha tsy ny 15 desambra 2022.

Harantin’ireo mpanao gazety mpaka sary 13, mpikambana ao amin’ny Collectif des reporters d’images de Madagascar na CRIMAD, mandritra izany iray volana izany, etsy amin’ny Trano Sary : musée des archives iconographique etsy Ambohidahy, ny santionany amin’ireo fanadihadiana an-tsary nataon’izy ireo ho an’ireo orinasa fanaovan-gazety iasan’izy ireo tsirairay.

Asongadina sy omem-boninahitra ao ihany koa ireo zoky nialoha lalana tamin’izany asa izany toa an’i Daniel Rakotoseheno sy Tsilavina Ralaindimby.

Ankoatra izay dia hisy “Master Class” sy “Conférence” ihany koa iarahana amin’ireo mpikambana ao amin’ny CRIMAD isaky ny alarobia mandritra izany iray volana izany ao amin’ny Trano Sary ao Ambohidahy ihany, hizaran’izy ireo amin’ireo izay liana amin’ity karazan’asa ity ny lalana nodiavin’izy ireo sy ny rindra amam-pitsipiky ny asa fakana sary an-gazety.

Hatramin’ny taona 2019 nandraisan’ny ekipa mpitanana ankehitriny ny minisitera misahana ny serasera dia tsy nisy sehatr’asa na dia iray aza nohadinoina.

Ankoatra izao fanomezana sehatra ny mpanao gazety mpaka sary izao, dia efa nirosoan’ny minisitera ny fanomezana fiofanana ny teknisiana sy mpanentana fandaharana hatramin’ny fiandohan’ity taona 2022 ity.

Ny fampiofanana ny mpanao gazety moa dia efa hatramin’ny taona 2020 anatin’ny fandaharan’asa FPJ.

Teo koa ny fanomezana mari-boninahitra ireo teknisian’ny onjam-peo sy ny fahitalavitra nahavita be.