Misalotra endrika vaovao ny Studio TVM ao Toamasina manomboka anio Alatsinainy 18 Jolay.

Ho fanatanterahana ny fifanekem-pandaharanasan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina dia nasim-panavaozana ny efitrano fanolorana ny vaovao an-tsary no sady fanodinana fandaharana  » STUDIO TVM » eto Toamasina, raha volana vitsivitsy lasa izay dia efa nasiana fanatsarana ny fikirakirana ny vaovao sy ireo mpanolotra vaovao eto amin’ny fahitalavim-panjakana Toamasina .

Ny tena zava-dehibe amin’izao fanavaozana rehetra izao dia ny fanatsarana eo amin’ny kalitaon’ny sary ho ara-kajy mirindra na « numérique » mba hanaraka ny fenitra .

Izany dia noho ny fampitaovana nataon’ny Minisitera foibe taorian’ny fandalovan-dRamatoa Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO tany amin’ny renivohitry ny Faritra Atsinanana farany ny taona 2021.

Raha tsiahivina dia ny taona 2011 no nisy fanavaozana farany ity  » studio TVM » ao Toamasina.

Araka izany, noho izao fanavaozana ataon’ny mpitantana ny Minisitera ankehitriny izao, dia hiova tanteraka ny kalitaon’ny endrika ivelany sy ny kalitaon’ny tolotra atolotry ny TVM Toamasina manomboka anio 18 Jolay 2022.