Akon’ny TAGNAMARO volana Febroary

DISTRIKAN’I MAROLAMBO (Faritra Atsinanana)

Fanadiovana ireo làlana rary vato ao antampon-tanàna.

Omaly Asabotsy faha 18 Febroary 2023 dia nifampitaona ireo fokonolona niara-nanala ireo tany nihotsaka sy nanadio ny làlana. Nahatsapa ireo fokonolona fa mila fikolokoloana avy amin’ny mpampiasa azy ireo làlana mba hampateza azy ka niara-nientana izy ireo tamin’ny alalan’ny TAGNAMARO.

Navitrika ny fandraisan’anjaran’ireo olom-pirenena izay nahitana an’ireo mpiasa avy amin’ny Sampandraharaha miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana sy ireo fokonolona.

Ny Delegasionin’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina any an-toerana sy ny Ben’ny Tanàna no nitarika ny hetsika