TAGNAMARO ATSIMO-ANDREFANA

Fikojakojàna lalana feno fotaka sy lavadavaka teo amin’ny Fokontany Andaboly Ambalanaomby Toliara voalohany ny hetsika Tagnamaro ho an’ny Fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina Atsimo Andrefana ny Sabotsy 18 Febroary 2023.

Nanomboka tamin’ny 7 ora maraina ny asa ka nisy ny fitaomana vato tamin’ny kamio, hanetsemana ny lavaka, tsy maintsy novakiana arak’izany ireo vato somary lehibe loatra. Notaterina sy nararaka eo ambony ihany koa ny fasika mba handrìtra ny rano sy mba hampitovy tetitra ny lalana.
Niara-nisalahy ny rehetra, ireo solonten’ny sampan-draharahamiankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana isan-tsokajiny eto Toliara, ireo mpitandro filaminana, ny solontena avy amin’ny fitantanana ny fonja, ny Chef Fokontany, ireo vahoaka namaly ny antso.
Isaorana manokana ny Ben’ny tanàna Kaominina ambonivohitry Toliara VITA Sidson Dédé, Député Rabehaja Jean, WHH nanohana sy nanampy ara-pitaovana tamin’ny fanatanterahana ny asa.

Zava-dehibe eo amin’ny fiainan’ny mponina eto amin’ity toerana ity ilay Tagnamaro natao ity satria sahirana izy ireo amin’ny fivezivezena isan’andro amin’ny loto ateraky ny fotaka, ka mety hitarika amin’ny tsy fahasalamana izany. Afapahasahiranana ihany koa ireo mpitondra fiara sy moto satria tsy mitaintaina intsony rehefa mandalo eny an-toerana amin’ny mety ho fahasimban’ny fiara noho ny faharatsian’ny lalana be loatra. Hitohy hatrany hoy ny Talem-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina ato Atsimo-Andrefana ny fanentanana ny olom-pirenena mba hanatevin-daharana amin’ny fandraisana anjara amin’ny Tagnamaro, ary hiezaka hatrany mba tena hipàka amin’ny vahoaka ny asa atao.