TAGNAMARO VAVATENINA.

Anisan’ny nanatanteraka Tagnamaro isaky ny sabotsy faha 3 ny volana taty amin’ny Distrikan’i Vavatenina ka fanadiovana ny CSB 2 manara-penitra no natao ka ny Delege n’ny Serasera sy ny Kolotsaina no tompon-kevitra tamin’izany ary nanaiky an’izany ny Médecin Inspecteur eto Vavatenina.

Vahoaka maro no tonga namaly ny antso sy ny manam-pahefana ary ny lehiben’ny sampan-tserivisy ihany koa. Isaorana ny nandray anjara rehetra.