TRANOMBOKIM-PIRENEN’I MADAGASIKARA: MIPETRAKA AO AMIN’NY EFITRANO DAVID JAOMANORO NY TAHALA « ESPACE ROYAUME-UNI »

Ramatoa Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO sy ny Masoivohon’ny Royaume-Uni Andriamatoa David WILLIAM ASHLEY no niara-nametraka izany anio Alakamisy 06 Aprily. Ity no tahalan’ny boky fampahafantarana an’i Angleterre sy ireo Fanjakana mandrafitra ny Royaume-Uni dia ny Pays des Galles, Écosse ary Irlande avaratra.

Maro ireo tetik’asa toy ny « ???? ?????? ???? » izay fanamby fampiroboroboana ny sehatry ny boky sy ny vaky boky manerana ny nosy, izay natomboky ny ekipa mitantana ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ankehitriny.

Anatin’izany koa ny asa fanajariana ny efitrano JAOMANORO ao amin’ny Tranombokim-pirenen’i Madagasikara.

Ao no nametrahana ny toerana manokana antsoina hoe « ESPACE PAYS » na tahala ampahafantarana amin’ireo firenen-dehibe maneran-tany.

14 volana taorian’ny resaka nifanaovan-dRamatoa Minisitra tamin’Andriamatoa Masoivoho dia mipetraka izao tahala izao.

Andiany voalohany izao fametrahana karazam-boky milohahevitra maro izao (hai-fý, literatiora, olo-malaza, encyclopédie…), ary hotohizana miandalana ny fanatevenana izany.

Ny fametrahana an’ity tahala ity dia antenaina fa hanampy betsaka an’ireo mpianatra miomana hangataka vatsim-pianaraha ho any Angletera toy ny an’ny ?????? ?????????, mba hahafantatra bebe kokoa ny momba lafim-piainana rehetra any Royaume-Uni.