TAGNAMARO AMBATONDRAZAKA

Fanadiovana ny biraon’ny Polisim-pirenena sy ny « gare routière » eo Ambalabako no nanamarihana ny TAGNAMARO teto Ambatondrazaka, androany sabotsy 15 jolay 2023.

Ny Préfet an’Ambatondrazaka no nitarika ny hetsika niaraka tamin’ny Fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina, ny kaominina Ambatondrazaka renivohitra ary ny Fitaleavam-paritry ny Filaminam-bahoaka Alaotra Mangoro.
Nandray anjara mavitrika tao anatin’izany ireo serivisy miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana, ny olom-pirenena ary ireo koperativa mpitatitra miasa eto amin’ity toerana ity.
Nofaranana tamin’ny dihy « zumba » ny fiarahana mba itaizana vatana sy anamafisana ny firaisankina.