FANADIOVANA NY MOZEA RAINILAIARIVONY AMBODITSIRY NO IVON’NY TAGNAMARO ANDRON’NY OLOMPIRENENA VOLANA SEPTAMBRA

Niavaka ity Septambra ity satria nifanindry tamin’ny 16 Septambra izany andro maneran-tany ho an’ny fanadiovana na WORLD CLEANUP DAY, ny Sabotsy faha telo ao anatin’ny volana izay fanatanterahana ny TAGNAMARO.

Vako-pirenena maro mpitsidika ny Mozea, Rainilaiarivony nanomboka tamin’ny nisokafany ho an’ny daholobe tamin’ny 18 Aprily 2023, rehefa nohavaozin’ny Minisitera tanteraka. Ka miara-misalahy manohy ny asa fanatsarana sy faleloma-maso ny fotodrafitr’asa rehetra mandrafitra azy ny mpiasan’ny Minisitera foibe (fanadiovana ny anatiny sy ivelan’ny Mozea, Fanadiovana ny zaridaina sy ny tokotany, …).

Efa fanaon’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina ny mikolokolo sy manadio ny fotodrafitrasam-panjakana izay natsangany na nohavaoziny toy izao, amin’ny alalan’ny TAGNAMARO. Ary ambetitenin-dRamatoa Minisitra Lalatiana RAKOTONDRAZAFY foana ny hoe : « Ny tsy mahay manana sy ny tsy manana dia mitovy ihany ».