๐˜ผ๐™๐™๐™„๐™†๐˜ผ๐™Ž๐˜ผ ๐™Ž๐™” ๐™๐˜ผ๐™ˆ๐™‹๐™„๐™Š๐™๐˜ผ๐™‰๐˜ผ๐™‰๐˜ผ ๐™ƒ๐™Š ๐™๐™„๐˜ผ๐™๐™Š๐™‘๐˜ผ๐™‰๐˜ผ ๐™‰๐™” ๐™‘๐™Š๐™ƒ๐™„๐™๐™๐˜ผ ๐˜ผ๐™ˆ๐˜ฝ๐™Š๐™ƒ๐™„๐™ˆ๐˜ผ๐™‰๐™‚๐˜ผ, 31 ๐™…๐™–๐™ฃ๐™ค๐™–๐™ง๐™ฎ 2024

Ho fampiharana ny politikam-pirenena momba ny Kolontsaina sy ho fanatanterahana ny drafitrasa mandavan-taona, ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, amin’ny alalan’ny Ofisy mitantana ny Vohitra Ambohimanga na ny (OSCAR) sy ny BAP (Brigade Anti-Piratage) dia nanatanteraka atrikasa sy fampiofanana ho an’ireo mpiasa mba ho fiaravona ny vohitra Ambohimanga ary ho fampitomboana ny ambaindain’ny fahaiza-manaon’izy ireo.

Araka ny didim-panjakana nanorenana ny Brigade Anti-Piratage moa dia andraikiny ny misahana ny fiarovana ny harembakom-pirenena. Ny traikefa azo avy amin’ny fampiofanana no antoka hoentin’ny mpiasa hapariaka eny an’ivon’ny fiaraha-monina.

Ny OSCAR kosa no rantsa-mangaika eo an’ivon’ny Minisitera MSK mitantana sy miaro ary mikajy ny Vohitra Ambohimanga, izay Harembakoka Iraisan’izao tontolo izao (Patrimoine mondial culturel de l’UNESO).