FAMPAHAFANTARA NY HIRAGASY TANY GUADELOUPE

Nahazo fanasana ka nanatrika ny fampisehoana poezia nokarakaraina tany Pointe-à-Pitre Guadeloupe ny herinandro lasa teo i Madagasikara. I 𝗥𝗼𝗷𝗼 𝗙𝗲𝗻𝗼𝘁𝗶𝗻𝗮 𝗥𝗔𝗡𝗔𝗜𝗩𝗢𝗔𝗥𝗜𝗦𝗢𝗡 avy amin’ny tarika mpihiragasy 𝘙𝘢𝘮𝘪𝘭𝘪𝘴𝘰𝘯 𝘉𝘦𝘴𝘪𝘨𝘢𝘳𝘢 𝘻𝘢𝘯𝘢𝘯𝘺 no naneho ny sora-kanto mikasika ny 𝒉𝒊𝒓𝒂𝒈𝒂𝒔𝒚, narahina feon’aponga nandritra izany hetsika izany.

Fampiroboroboana ny fifanakalozana amin’ny lafiny kolontsaina eo amin’ny Nosy roa tonta ny fandraisan’i Rojo Fenotina RANAIVOARISON anjara tamin’io hetsika io izay nahazo fanohanana avy amin’ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐀𝐌𝐀𝐍𝐀𝐍𝐎𝐑𝐎 𝐀𝐮𝐠𝐮𝐬𝐭𝐢𝐧 sy ny masoivoho frantsay eto amintsika.