๐™๐™ค๐™ซ๐™–๐™ฃ’๐˜ผ๐™ฃ๐™ฉ๐™ค๐™ฃ๐™œ๐™ค๐™ฃ๐™–, ๐™ง๐™–๐™›๐™ž-๐™—๐™–๐™ฉ๐™ค ๐™ข๐™–๐™ž๐™ฃ๐™– ๐™ฃ๐™–๐™ฉ๐™จ๐™–๐™ฃ๐™œ๐™–๐™ฃ๐™– ๐™š๐™›๐™– ๐™ฉ๐™–๐™ข๐™ž๐™ฃ’๐™ฃ๐™ฎ ๐™ฉ๐™–๐™ค๐™ฃ๐™Ÿ๐™–๐™ฉ๐™ค ๐™›๐™–๐™a 17.

Nankalazain’ny ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina anio 19 avrily, teny amin’ny rovan’Antongona, kaominina Morarano, faritra Itasy, ny andro iraisam-pirenenena ho an’ny toerana miavaka sy zava-naorina. Toerana miavaka, naorina tamin’ny fahaiza-manao malagasin’ny taonjato faha fitoambin’ny folo.

Ny 18 avrily no anamarihana azy ity, araka ny datin’ny Unesco saingy anio no nanamarihana izany teto amintsika. Tamin’ny taona 1982 no nankalaza izany voalohany isika teto Madagasikara. Midika izany fa miroso hatrany amin’ny dingana ambony kokoa isika, hoy ny sekretera jeneralin’ny minisitera ๐—™๐—ฒ๐˜๐—ฟ๐—ฎ ๐—ฅ๐—ฎ๐—ธ๐—ผ๐˜๐—ผ๐—ฎ๐—ป๐—ฑ๐—ฟ๐—ฎ๐˜€๐—ผ๐—ฎ๐˜ƒ๐—ฎ, tamin’ny kabary fanokafana. ยซ ๐˜™๐˜ฆ๐˜ฉ๐˜ข๐˜ณ๐˜ฆ๐˜ฉ๐˜ข๐˜ฏ’๐˜ฏ๐˜บ ๐˜ต๐˜ข๐˜ฏ๐˜ขฬ€๐˜ฏ๐˜ข, ๐˜ฏ๐˜บ ๐˜ง๐˜ข๐˜ณ๐˜ช๐˜ต๐˜ณ๐˜ข, ๐˜ด๐˜บ ๐˜ฏ๐˜บ ๐˜ง๐˜ช๐˜ณ๐˜ฆ๐˜ฏ๐˜ฆ๐˜ฏ๐˜ข ๐˜ฏ๐˜บ ๐˜ต๐˜ฐ๐˜ฆ๐˜ณ๐˜ข๐˜ฏ๐˜ข ๐˜ฎ๐˜ช๐˜ข๐˜ท๐˜ข๐˜ฌ๐˜ข ๐˜ต๐˜ฐ๐˜บ ๐˜ช๐˜ต๐˜ฐ๐˜ฏ๐˜บ, ๐˜ฉ๐˜ฐ๐˜บ ๐˜ช๐˜ป๐˜บ, ๐˜ณ๐˜ฆ๐˜ฉ๐˜ฆ๐˜ง๐˜ข ๐˜ท๐˜ฐ๐˜ข๐˜ฌ๐˜ข๐˜ซ๐˜บ ๐˜ด๐˜บ ๐˜ท๐˜ฐ๐˜ข๐˜ฉ๐˜ข๐˜ซ๐˜ขย ยป ๐˜ข๐˜ณ๐˜บ ยซย ๐˜ง๐˜ข๐˜ฏ๐˜ข๐˜ฎ๐˜ฃ๐˜บ ๐˜ญ๐˜ฆ๐˜ฉ๐˜ช๐˜ฃ๐˜ฆ ๐˜ด๐˜ข๐˜ฅ๐˜บ ๐˜ฎ๐˜ข๐˜ช๐˜ฌ๐˜ข ๐˜ฏ๐˜บ ๐˜ง๐˜ช๐˜ฌ๐˜ข๐˜ณ๐˜ข๐˜ฌ๐˜ข๐˜ณ๐˜ข๐˜ฏ๐˜ข ๐˜ข๐˜ป๐˜บ ๐˜ช๐˜ณ๐˜ฆ๐˜ฏ๐˜บ ยป .
ยซ ๐˜›๐˜ฐ๐˜ฆ๐˜ณ๐˜ข๐˜ฏ๐˜ข ๐˜ฎ๐˜ช๐˜ข๐˜ท๐˜ข๐˜ฌ๐˜ข ๐˜ด๐˜บ ๐˜ป๐˜ข๐˜ท๐˜ข-๐˜ฏ๐˜ข๐˜ฐ๐˜ณ๐˜ช๐˜ฏ๐˜ข, ๐˜ท๐˜ฐ๐˜ฏ๐˜ฐ๐˜ฏ๐˜ข ๐˜ฉ๐˜ช๐˜ข๐˜ต๐˜ณ๐˜ช๐˜ฌ๐˜ข ๐˜ฏ๐˜บ ๐˜ญ๐˜ฐ๐˜ป๐˜ข ๐˜ฎ๐˜ข๐˜ฏ๐˜ข๐˜ฎ๐˜ฃ๐˜ข๐˜ฏ๐˜ข ยป no lohahevitra namotorana ny fankalazana tamin’ity taona ity. Nisolo tena ny ICOMOS, (filankevitra iraisam pirenena momba ny tsangam-pahatsoarovana sy zava-naorina) izay mpiara-miasa miombona antoka amin’ny minisitera tamin’izao hetsika izao ny ๐—ฃ๐—ฟ๐—ผ๐—ณ๐—ฒ๐˜€๐—ผ๐—ฟ๐—ฎ ๐—ฅ๐—ฎ๐—ณ๐—ผ๐—น๐—ผ ๐—”๐—ป๐—ฑ๐—ฟ๐—ถ๐—ฎ๐—ป๐—ฎ๐—ถ๐˜ƒ๐—ผ๐—ฎ๐—ฟ๐—ถ๐˜ƒ๐—ผ๐—ป๐˜†, mpampianatra mpikaroka misotro ronono.
Mitovitovy amin’ny rovan’Ambohimanga ny rovan’Antongona, manana ny maha izy azy, tokony hanaovana taratasy ho lasa vakoka iraisam-pirenena, araka ny hevitr’ity manam-pahaizana momba ny arkeolojia ity. Rafi- bato maina no nananganana azy efa tamin’ny faramparan’ny taonjato faha fito ambin’ny folo fa io izy mbola mijoro mandraka ankehitriny io.

Aleo misoroka, hoy izy, sao hanao soro-baton’ilay jamba ka voa vao mihilana, raha naneho hevitra mikasika ny lohahevitra. Tokony hokajiana sy harovana amin’ireo loza voajanajary samihafa.