“DE DOULEUR, LA TERRE GEMIT” : NIVOAKA ARY NAMPAHAFANTARINA NY DIKA TENY FRANTSAIN’NY BOKY « MITARAINA NY TANY » NOSORATAN’I ANDRY ANDRAINA

Ny fiainan’ny ankohonan-dRandrasana eni-mianaka, fianakaviana kely iray nonina tany amin’iny faritra sihanaka iny, nandritry ny vanim-potoanan’ny fanjanahan-tany no nentin’i Andry ANDRAINA tao amin’ny boky “MITARAINA NY TANY”.

Boky iray anisan’ireo anatin’ny fandaharam-pampianarana, ka ampiasain’ny mpianatra amin’ny kilasy taona faharoa.

Nadikan’i Tefy na ANDRIAMAHERY Raoelison Theophile Jean, mpampianatra sady mpanoratra amin’ny teny frantsay ity boky tantara foronina nosoratan’i Andry ANDRAINA ity, mba ahafahan’ny literatiora malagasy misandrahaka eo amin’ny sehatry ny tsenam-boky iraisam-pirenena, fa indrindra amin’ny tsenam-boky amin’ireo tany mampiasa ny teny frantsay.

Ny edisiona Tsipika kosa no namokatra azy. “DE DOULEUR, LA TERRE GEMIT” no nandikany ny lohatenin’ny boky, izay ahitana pejy mitontaly 326 pejy ho an’ity dikan-teny frantsay ity, izay nataon’ny trano mpamokatra amina endrika A5.

Androany 30 novambra 2023 no nampahafantarana izany boky izany tamim-pomba ofisialy tao amin’ny efitrano Jaomanoro, ao amin’ny Tranombokim-pirenen’i Madagasikara, ka nanoloran’ny edisiona TSIPIKA santionany ho an’ny tranombokim-pirenena sy ireo rantsany manerana ny nosy.

Nohamafisin’ny Filohan’ny filan-kevi-pitantanan’ny Tranombokim-pirenen’i Madagasikara, izay nisolo tena ny minisiteran’ny serasera sy kolontsaina nandritra izany lanonana izany ny ezaka nataon’ny fitondram-panjakana nanohanana ny indostria sy ny rohin’ny boky, izay nanampy betsaka tamin’ny fampitiavana ny vaky boky ny daholobe sy tamin’ny fanarenana indray izany sehatry ny famokaram-boky izany.

Marihina fa nanome tan-tsoroka tamin’ny fanontana ity boky ity ny birao aty amin’ny ranomasimbe indiana-n’ny fikambanan’ny tany mampiasa ny teny frantsay.