FANAOVANA HOSOKA BOKY

Voasambotry ny Brigade Anti-Piratage tany Fianarantsoa sy teto Antananarivo ny faran’ny herinandro teo ireo olona mpanao hosoka sy dika mitovy (photocopie sy pdf na image alefa amin’ny tambanjotra-tserasera ) ny boky Malagasy.

Miteraka fatiantoka goavana ho an’ireo mpanoratra sy mpamokatra boky malagasy ny fisian’ireny hosoka ireny, izay nanaovan’izy ireo antso avo ny amin’ny tokony hanamafisana ny fanenjehana ireo mpanao ratsy fa indrindra ny fampiharana ny « Code Pénal Art 425-428 » sy ny lalàna 94-036, izay manenjika ireo mpanao hosoka.

Miseho amin’ny endrika maro samihafa ny fanaovana hosoka na dika mitovy ireo boky malagasy amin’izao fotoana izao.

Fatiantoka lehibe hatrany amin’ny 60% ho an’ireo mpamokatra sy mpamoaka boky ny fisian’io hosoka io.

Hitohy hatrany manerana ny Nosy ity hetsika fisamborana ireo mpanao hosoka ny boky malagasy ity, izay ataon’ny Brigade Anti-Piratage, izay Sampana iray eo anivon’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina.

Marihina hatrany fa voasokajy ho fanaovana hosoka sy tsy ara-dalàna ka henjehin’ny lalàna velona ny fivarotana boky amin’ny endriny « format pdf » eny amin’ny tambanjotra-tserasera.