IRAY VOLAN’NY TENY MALAGASY

« ????? ??? ???????, ????????’? ???? ???????? »

Hatramin’ny nandraisan’ny ekipa mpitantana ankehitriny ny ?????????? ???????? ?? ???????????, dia natao ho vaindohan-draharaha ny fanandratana sy fampiroboroboana ny teny Malagasy, izay iray amin’ireo singa mampiray antsika sady mampiavaka antsika amin’ny firenen-kafa.

Isan’ireo asa natao ny fametrahana ny fitaleavana manokana misahana ny fampiroboroboana ny teny malagasy, ny famoronana fandaharana mandeha ao amin’ny ??? sy ℝℕ? hanitsiana ireo fomba nahazatra kanefa diso amin’ny fanoratana teny malagasy, ankoatra ny fanatevenana ny fanitsiana ireo fitsipika amam-piteny eto amin’ny #Pejy_Facebook: ???????????’?? ???????? ?? ?? ???????????.

Napetraka ho fanamby goavana mihitsy izany sahan’asa izany hamerenana amin’ny toerana sahaza azy ny teny malagasy sy ho fanatanterahana ny ???????? ???? ??-?? ???????’?? ????????? momba ny fanomezana lanja ny kolontsaina ho fanoitra amin’ny fampandrosoana.

Tafiditra anatin’izay ?????????-????? ?? ???? ???????? izay ihany koa ny fampianarana tenim-paritra ho an’ny rehetra amin’ny tambazotran-tserasera sy ny haino aman-jery eo ambany fiahian’ny minisitera. Eo koa ny fikarakarana fifaninanana literatiora.

Ankoatra izay dia endriky ny fizina ara-kolontsaina (???????é ??????????) sy ny fiziam-poko (???????é ????????) ary fiziam-pirenena (???????é ?????????) ny teny Malagasy. Koa amin’izao dia eo am-panangonana ireo asa fikarohana rehetra momba ny faka nipoiran’ny teny Malagasy ny ekipan’ny Minisitera mba ho raiketina an-tsoratra ho lova ho an’ny taranaka fara mandimby.

Nifanindran-dàlana tamin’ity lanonana fanokafana androany tetsy amin’ny ???????????-???????? ????? ity ihany koa ny fanolorana ny mari-boninahitry ny ?????, ny ??????? ary ny ??????????? (?????????? ?? ?’????? ??? ????, ??? ??????? ?? ?? ?? ???????) ny mpanoratra ℝ?ℕ?ℝ????? ℍ??????? fantatry ny maro amin’ny anarana maha mpikanto azy ℝ?ℕ?ℝ????? ℝoë?.

Teo ihany koa ireo karazana seho ara-java-kanto samihafa nentina nanamarihana izany.

« ????? ??? ???????, ????????’? ???? ???????? » io no lohahevitra nosafidiana entina hanamarihana izay iray volan’ny teny malagasy izay mandritra ity volana Jona ity.

 

Ka ankoatra ny teto Antananarivo nanaovana ny lanonana ofisialy, dia hetsika maro samihafa ihany koa ny tanterahina isam-paritra mandritra ity volana ity.

#Iray_Volan_ny_Teny_Malagasy

#Fitaleavana_Misahana_ny_Fampiroboroboana_ny_Teny_Malagasy

#Minisiteran_ny_Serasera_sy_ny_Kolontsaina