MIHAMY MADA FASHION ANDIANY FAHATELO | 10-11-12 JONA 2022

MIHAMY MADA FASHION ANDIANY FAHATELO | 10-11-12 JONA 2022

Hetsika izay ambohim-pihaonan’ny mpankafy ny lamaody, ny haihaingo, ny tontolon’ny famoronana, ny filatroana ny 𝓜ihamy 𝓜ada 𝓕ashion.

Hiavaka ity andiany fahatelo ity.

Ankoatra ireo hetsika fampirantiana ny sangan’asan’ireo mpamorona izay nandefa ny antontan-taratasiny ka voafantina handray anjara amin’ny hetsika mandritra ny hateloana ao amin’ny 𝙻𝚊𝚙𝚊𝚗’𝚗𝚢 𝙺𝚘𝚕𝚘𝚗𝚝𝚜𝚊𝚒𝚗𝚊 𝚜𝚢 𝚗𝚢 𝙵𝚊𝚗𝚊𝚝𝚊𝚗𝚓𝚊𝚑𝚊𝚗-𝚝𝚎𝚗𝚊 𝙼𝚊𝚑𝚊𝚖𝚊𝚜𝚒𝚗𝚊, hisy ihany ireo hetsika samihafa hatao etsy amin’ny 𝙰𝚗𝚓𝚎𝚕𝚢 𝙼𝚊𝚒𝚗𝚝𝚢 𝙰𝚗𝚘𝚜𝚢 sy ao amin’ny 𝙻𝚊𝚙𝚊𝚗’𝚗𝚢 𝚃𝚊𝚗à𝚗𝚊 𝙰𝚗𝚊𝚕𝚊𝚔𝚎𝚕𝚢.

Ny ℤ𝕠𝕞𝕒 𝟙𝟘 𝕁𝕠𝕟𝕒 𝟚𝟘𝟚𝟚 manomboka amin’ny 𝟞 𝕠𝕣𝕒 𝕙𝕒𝕣𝕚𝕧𝕒dia hisy ny hetsika « 𝚅𝙸𝙿 𝙵𝙰𝚂𝙷𝙸𝙾𝙽 𝚂𝙷𝙾𝚆 » hatao ao amin’ny Lapan’ny Tanàna Analakely.

Ny 𝕊𝕒𝕓𝕠𝕥𝕤𝕪 𝟙𝟙 𝕁𝕠𝕟𝕒 kosa etsy amin’ny Anjely Mainty Anosy no hanaovana ny « 𝙵𝙰𝚂𝙷𝙸𝙾𝙽 𝚂𝙷𝙾𝚆 » lehibe : hetsika izay ahitana filatroana isan-karazany arahina fanentanana samihafa miaraka amina mpanakanto maro.

Ny hetsika rehetra ao amin’ny Lapan’ny Kolontsaina sy ny Fanatanjahan-tena Mahamasina kosa anefa mandritra io telo andro io dia ho feno tanteraka.

Ankoatra ny varotra fampirantiana, dia hisy ihany koa ny valan-dresaka samihafa hiresahana sehatra iray mifototra amin’ny tontolon’ny lamaody sy ny fizarana entin’ireo mpiantsehatra isan-tokony.

Ary ny « 𝙵𝙰𝚂𝙷𝙸𝙾𝙽 𝚂𝙷𝙾𝚆 » misokatra ho an’ny daholobe hafanain’i 𝕊𝕥𝕖𝕡𝕙𝕒𝕟𝕚𝕖 sy 𝕃𝕚𝕠𝕟 ℍ𝕚𝕝𝕝 ny 𝔸𝕝𝕒𝕙𝕒𝕕𝕪 𝟙𝟚 𝕁𝕠𝕟𝕒 𝟚𝟘𝟚𝟚 amin’ny 𝟛 𝕠𝕣𝕒.

Mpandray anjara no hampiranty ny sangan’asany sy ny asa famoronany ao amin’ny tranoeva hiranty ao amin’ny 𝕃𝕒𝕡𝕒𝕟’𝕟𝕪 𝕂𝕠𝕝𝕠𝕟𝕥𝕤𝕒𝕚𝕟𝕒 𝕤𝕪 𝕟𝕪 𝔽𝕒𝕟𝕒𝕥𝕒𝕟𝕛𝕒𝕙𝕒𝕟-𝕥𝕖𝕟𝕒 Mahamasina.

Tafiditra ao anatin’ny fanamby apetraky ny 𝕄𝕚𝕟𝕚𝕤𝕚𝕥𝕖𝕣𝕒𝕟’𝕟𝕪 𝕊𝕖𝕣𝕒𝕤𝕖𝕣𝕒 𝕤𝕪 𝕟𝕪 𝕂𝕠𝕝𝕠𝕟𝕥𝕤𝕒𝕚𝕟𝕒 ny fanandratana sy ny fanampiana ny mpisehatra amin’ny haiforona sy ny mpiangaly ny tontolon’ny lamaody tsy ankanavaka.

𝙼𝚊𝚒𝚖𝚊𝚒𝚖-𝚙𝚘𝚊𝚗𝚊 𝚊𝚟𝚘𝚔𝚘𝚊 𝚗𝚢 𝚑𝚎𝚝𝚜𝚒𝚔𝚊 𝚖𝚊𝚗𝚍𝚛𝚒𝚝𝚛𝚊 𝚗𝚢 𝚝𝚎𝚕𝚘 𝚊𝚗𝚍𝚛𝚘.

#MMF22

#Minisiteran_ny_serasera_sy_ny_kolontsaina

#msk