IRAY VOLAN’NY SARY HOSODOKO Faritra ANÔSY

Toerana : ao amin’ny Tranom-pokonolona ao Tanambao

Mpandray anjara: mpanakanto miisa 03

– RAKOTOMAHATSIARO dit Daday,

– FITRANGANA Charles Théodore,

– Andriamatoa ROGER

Fotoan-dehibe aty amin’ny Faritra Anôsy ity hetsika « Iray volan’ny sary hosodoko » andiany voalohany karakarain’ny Minisiteran’ny Serasera sy Kolontsaina.

Ka Andriamatoa Sekretera Jeneralin’ny Faritra no nisolo tena an’Andriamatoa Goverinora nanokatra izany tamin’ny fomba ôfisialy. Manam-pahefana maro no nanotrona azy, toa an’Andriamatoa Ben’ny Tanànan’i Taolagnaro, Ramatoa Lefitry ny Fileovan’i Taolagnaro, Ramatoa Filohan’ny Tranoben’ny Varotra sy ny Indostria, ary parlemantera sy lehibena Sampan-draharaha sy olo-manan-kajo maro sivily sy miaramila.

Mba hanatratrarana ny tanjon’ity hetsika ity dia sady mandranty ireo mpanao hosodoko no tonga dia mivarotra sy mandray « commande » vaovao avy hatrany koa.