IRAY VOLAN’NY SARY HOSODOKO Faritra BONGOLAVA

Akon’ny fanokafana ny hetsika «iray volan’ny hosodoko» ho an’ny Faritra Bongolava.

Nanomboka omaly 12 Jolay ihany koa izany, ka tao amin’ny ALA MADIRO ao Tsiroanomandidy no nanaovana ny lanonana.

Ireo mpandray anjara: mpianfaly sary hosodoko 03 izy ireo:

ANDRY Tsiresy Valisoa na i PETIDA

RAVELOMIHAFY Tsiaro na i OSTARIO

Gérald RAKOTONDRAMASY

Araka ireo hita amin’ny sary, dia manan-talenta tokoa izy ireo.

Hita taratra tamin’ny fahavitrihan’ny olona tonga nitsidika, fa mahaliana azy ireo ity sehatry ny kanto izay manomboka mahazo vahana aty Bongolava.

Maro ireo nankasitraka ny Minisiteran’ ny Serasera sy ny Kolontsaina noho ity fandaharan’asa andiany voalohany izay antenain’ny maro sahady ny hitohizany.

Nisy moa teto ny seho ara-kolontsaina nentin’ireo fikambanana maro nanafanana ny hetsika fanokafana.