IRAY VOLAN’NY SARY HOSODOKO faritra MAHATSIATRA AMBONY

 » Iray Volan’ny Sary Hosodoko  » (Andiany voalohany – Talata 12 Jolay 2022 – Sabotsy 16 Jolay 2022).

Tontosa soa aman-tsara ny hetsika ara-kolontsaina ho fankalazàna ny  » Iray Volan’ny Sary Hosodoko » tato amin’ny Faritra Matsiatra Ambony, ny Talata 12 Jolay 2022 maraina izay teo ambany fitarihan’ny Fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina Matsiatra Ambony.

Notronon’ireo solontenam-panjakana tao an-toerana (Lefitry ny Préfet de Fianarantsoa, ny Talem-paritry ny Asa tanana sy Haitao…), ary notronon’ireo Fikambanana maro mpanao hosodoko ato Matsiatra Ambony.

Toerana: Tranoben’ny Serasera sy ny Kolontsaina SOKELA HANIGNA ao Ambatomena (Auditorium Horija sy tao ao amin’ny efitrano malalaka fampirantiana hosodoko).

FAMPIRANTIANA:

Andiany voalohany: Talata 12 Jolay 2022 hatramin’ny Sabotsy 16 Jolay 2022

Ireto ny mpahay sary hosodoko hampiranty ny sangan’asany voalohany:

– Création 09/Art and Disign.

– N’Art Paul.

Andiany faharoa: ny mpahay Hosodoko sokajy faharoa indray no hanohy ny Alatsinainy 18 Jolay 2022 ka hatramin’ny Sabotsy 23 Jolay 2022.

Mahavelom-bolo tokoa fa tonga marobe ny olona nentanina hitsidika an’ity hetsika ity.

Antenaina ho maro ny fifanaraham-barotra ho azon’ireto mpanakanto.