HETSIKA FAMARANANA NY FANKALAZANA NY FAHA 75 TAONAN’NY « ALLIANCE FRANÇAISE ANTANANARIVO »

Fitokanana ny trano vaovao fanampiny; fanolorana Mari-pankasitrahana sy medaly ho an’ireo mpiara-miombon’antoka sy ireo mpianatra 3 mendrika tamin’ny fifaninanana « Plume d’or » ary ireo mpianatra nisongadina hafa, ireo no nisongadina nandritra ny lanonana tetsy amin’ny « Alliance Française de Tananarive » tetsy Andavamamba izay manakatona ny fankalazana ny faha-75 taona.

Ramatoa Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO, noho izy nisolo tena an’Andriamatoa Filoham-pirenena Andry RAJOELINA sy amin’ny maha Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina azy, no nitarika ny lanonana.

Mifameno tanteraka amin’ny tanjona apetraky ny Minisitera amin’ny fampiroboroboana ny kolontsaina marolafy hoy izy ny iraka sy antom-pisian’ireo ivon-toerana ALLIANCE FRANÇAISE manerana an’i Madagasikara, indrindra fa mikasika ny sehatry ny vaky boky.

Ary mifanindran-dàlana amin’ny fandaharan’asa « Ndao Hamaky Boky » izay naely tato anatin’izay 04 taona amin’ ireo ivontoeram-pamakiana boky manerana ny nosy ( Maison de la Communication et de la Culture, CLAC…).

Izany dia ho famporisihana ny daholobe indrindra fa ny tanora sy ny ankizy ary ny mpianatra mba hankafy ny vaky boky izay manampy tokoa amin’ny fanatevenana ny fahalalana ankapobeny.

Vonona hatrany ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, hoy Ramatoa Minisitra ny hametraka ny fiaraha-miasa amin’ny rafitra sy sehatra tsy miankina toy ny Alliance Française, mba ho fampivoarana ny kolontsaina amin’ny endriny maro .