FAMPAHATSIAHIVANA

Tafiditra tanteraka anatin’ny fotoam-pahavaratra sy ny andro ratsy izay mety hivadika ho rivo-doza sahala amin’ny CHENESO isika eto Madagasikara.

Zava-hehibe ho an’ny isan-tokantrano ny fifehezana ireo karazana loko ampitain’ny Birao BNGRC ary koa ny fanarahana an’ireo fitsipika sy torolalana ary fampahafantarana mifandraika amin’ireo loko ireo.

Amporisihina isika hanjohy ireo fandaharana mikasika ny famantarana ny toetr’andro, ary koa hanaraka sy hizara ireo vaovao ofisialy amin’ireto sehatra ambany fiahian’ny Minisiteran’ny Famantarana ny Toetr’andro ireto:

Pejy facebook: « 𝙵𝚘𝚒𝚋𝚎 𝙵𝚊𝚖𝚊𝚗𝚝𝚊𝚛𝚊𝚗𝚊 𝚗𝚢 𝚝𝚘𝚎𝚝𝚛𝚢 𝚗𝚢 𝚊𝚗𝚍𝚛𝚘 »

Tranonkala: www.meteomadagascar.mg

Efa mipetraka koa ireo rafitra rehetra isan’ambaratongany any amin’ny Faritra (CRGRC) sy ny Distrika (CDGRC) ary ny Kaominina (CCGRC) sy ny Fokontany (CLGRC), ka aza misalasala manatona an’ireo tompon’andraikitra manandrify antsika.

Araka ilay teny filamatra hoe « 𝒊𝒛𝒂𝒚 𝒕𝒔𝒂𝒓𝒂 𝒇𝒊𝒐𝒎𝒂𝒏𝒂𝒏𝒂 𝒕𝒔𝒚 𝒕𝒂𝒎𝒑𝒐𝒉𝒊𝒏’𝒏𝒚 𝒍𝒐𝒛𝒂 ».