FESTIVAL INTERNATIONAL SURAJKUND: NY VONDRONA MaF’B NO MISOLO TENA AN’I MADAGASIKARA

Nanainga omaly handray anjara amin’ny Festival International Surajkund any New Delhi-India ny 18 mianadahy mpikambana ao amin’ny Malagasy Folkloric Band na MaF’B izay voasafidy hisolo tena an’i Madagasikara amin’ny alàlan’ny dihy sy ny hira vakodrazana.

Mandritry ny roapolo andro ny faharetan’ity Festival ity.

Ny MaF’B moa dia tetikasan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina entina hamolavolana mpanakanto tanora manan-talenta amin’ny sehatry ny dihy sy mozika ary hira.

Taizaina sy hofanina manokana eo anivon’ny Akademiam-pirenen’ny Zavakanto sy ny Kolontsaina (ANAC) izy ireo.

Zava-dehibe ho an’ireto tanora ny fivoahana maka traikefa amin’ny sehatra iraisam-pirenena toy izao.