FANOKAFANA AMIN’NY FOMBA OFISIALY NY TRANOM-BAKOKA « MUSEE DE L’EXPRESSE DE MADAGASCAR »

Tranom-bakoka manaraka ny fenitra amin’ny maha Mozea azy ity natsangan’ny L’Express de Madagascar ao amin’ny Vondron’orinasa Prey ary notokanana omaly tetsy Ankorondrano ity.

Miranty ao anatiny avokoa ireo fitaovana tsy tontan’ny ela nanamarika vanim-potoana nifandimby tamin’ny asa fanaovan-gazety, indrindra ireo nanamarika ny tantaram-pirenena.

Politikan’ny fitondram-panjakana ankehitriny ny fananganana Mozea hampiavaka ny isam-paritany, efa natao zany tany Toamasina tamin’ny nananganana ny Mozea « Vavitiana » dia hitohy tsy ho ela any Fianarantsoa ny manaraka.

Notsiahivin’ny Praiminisitra Lehiben’ny Governemanta Ntsay CHRISTIAN nandritra ity lanonana ity fa zava-dehibe ny fananana tahiry mirakitra ny làlana nadalovan’ny firenena, miainga amin’ireo fitaovana vita ao amin’ity Mozea ity ary laharam-pahamehana sy adidin’ny fitondram-panjakana tanteraka ny fampiroboroboana izany hanasongadinana ny kolontsaina Malagasy.