MIHAMY MADA FASHION ANDIANY FAHA-4

Toamasina indray no nosafidiana hanatanterahana MIHAMY MADA FASHION andiany fahefatra.

Hetsika hanasongadinana ny tontolon’ny asa famoronana (industrie culturelle et créative) anatin’ny haihaingo izay hotanterahina ny 6-7-8 Aprily 2023 .

Koa asaina sy ampirisihina isika mpisehatra rehetra handray anjara amin’izany .

Raha hampahatsiahivina ny MIHAMY MADA FASHION dia hetsika anomezana tosika sy anasongadinana ny sehatry ny haihaingo, atao hisarihana sy hanentanana ny mpiara-belona rehetra hanjifa ny zava-bita malagasy izay foronina sy vokarina eto Madagasikara.

Ho antsika hisoratra anarana sy te hahafantatra bebe kokoa ny an-tsipirihany, dia ireto no hifandraisantsika :

0321291133

𝐬𝐞𝐫𝐝𝐢𝐜2019@𝐠𝐦𝐚𝐢𝐥.𝐜𝐨𝐦

𝐬𝐚𝐦𝐜𝐝𝐢𝐜2019@𝐠𝐦𝐚𝐢𝐥.𝐜𝐨𝐦