TAGNAMARO MAEVATANANA

Ho fanombohana ny ezaka fanatsaràna ny toeram-piasan’ny Fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina Betsiboka sy ny Radio Televiziona Lazan’i Betsiboka eto Maevatanàna dia nanao tagnamaro fanadiovana ny manodidina ireo mpiara-miasa.

Fanamby napetraka tamin’ity taona 2023 ity ny hanavaozana sy hanomezana endrika vaovao ity toerana ity ivelany sy anatiny ka mbola hotohizana amin’ny fanaovana zaridaina sy fanatsarana ny Studio izany.