MMF501 – MIHAMY MADA FASHION ANDIANY FAHA-4: Nikatona ity andiany voalohany nokarakarain’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina taty amin’ny Faritra

Tomefy olona ny tany malalaky ny lapan’ny tanànan’i Toamasina ny Sabotsy harivariva. Vahoaka maro no tonga nanatrika ny lanonana sy seho filatroana nentina nanakatona ny MMF2023.

Fandraisam-pitenenana fohy no nentin-dRamatoa Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO nisaotra ny vahoakan’i Toamasina tonga nanatrika sy nanotrona nandritra ny hateloana.

Nankasitrahany ihany koa ireo rehetra mpiaramiombon’antoky ny fahombiazan’ny #MMF501, dia ireo mpanohana (FARITRA ATSINANANA, KAOMININA AMBONIVOHITRA TOAMASINA, SPAT, CGHV VOLOBE2, HITA, PREMIUM LOGISTICS, AIRTEL), ireo Sampandraharaham-panjakana, ny mpandray anjara rehetra, ny mpilatro sy ireo tanora maro nandray ny andraikitra tandrify azy.

Nararaotin-dRamatoa Minisitra izao fotoana nahavoriana tanora maro izao, nanaovany fanentanana sy famporisihana azy ireo tsy hisalasala hanatona ny CENTRE D’INCUBATION izay i Toamasina no voalohany nisitraka an’ity fandaharan’asa TOSIK’ART ity izay manofana sy mikotrika tanora mandraharaha ara-kolontsaina sy anatin’ny indostrian’ny famoronana.

Azo atao tsara ny mihary anatin’ny tontolon’ny haihaingo sy ny famoronana. Voaporofo hoy Ramatoa Minisitra fa seha-pihariana afaka trandrahina sy halalinina tsara aty amin’ny Faritra Atsinanana ireo mba ahazoana manome lanja ny talentan’ny tanora ka ahafahany mandray an-tanàna ny hoaviny.

Fahombiazana ny hetsika MMF501 ary betsaka ireo olona nanjifa ny famoronana vita malagasy nataon’ireo mpandray anjara, indrindra nandritra ny FASHION SHOW teny amin’ny PACT ny zoma alina.

« 𝙏𝙎𝙔 𝙈𝙄𝙎𝘼𝙍𝘼𝙆𝘼 𝘼𝙈𝙄𝙉’𝙉𝙔 𝙑𝙄𝙏𝘼 𝙈𝘼𝙇𝘼𝙂𝘼𝙎𝙔 𝘼𝙉𝙏𝙎𝙀𝙉𝘼(isika) »