FANOLORANA FITAOVANA HO AN’NY TVM SY RNM AO SAMBAVA

Nandritra ny fandalovan-dRamatoa Minisitra Lalatiana RAKOTONDRAZAFY sy ny ekipany taty amin’ny Faritra SAVA, dia natolony omaly 5 Oktobra ny anjara fitaovan’ny TVM sy RNM ao Sambava.

Fitaovana izay hanampy hahatsara ny kalitaon’ny tolotra homena ny mpanjifa ny haino amanjerim-panjakana. Ary manomboka izao dia afaka mamokatra fandaharana fa tsy hiandry ny fandaharana avy amin’ny foibe fotsiny ny ekipa any an-toerana.