DINGANA FAMPIDIRANA NY EGLIZY KATOLIKA AMBODIFOTATRA HO ANATY LISITRY NY UNESCO.

Mitohy ny ezaka ataon’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina amin’ny hampidirana ny Misiona Katolika ao anatin’ny lisitry ny harembakoka manerantanin’ny UNESCO.

Tafiditra ao anatin’izany ny Fiangonana Katolika izay trano vato voalohany eto Madagasikara izay naorina tao Sainte Marie tamin’ny taona 1837, ka isan’ny dingana arahina amin’izany ny fankan-kevitry ny daholobe aty ifotony mba hampankatoavana ny tetikiasa.

Notanterahina ny talata 19 Desambra 2023,mvizany fakan-bevitra zany, nitarika ny delegasiona tany an-toerana ny Talen’ny Kabinetran’ny Minisitera Andriamatoa Haja RASOANARIVO, niaraka tamin’ny Sekretera Jeneralin’ny vomieram- pirenen’ny UNESCO eto Madagasikara Manda RAVELOJAONA sy ny Tale Jeneralin’ny Kolontsaina Francis RAZAFIARISON ary ireo teknisianina mikirakira ny tetik’asa .

Nandray anjara tamin’izany koa ny Talem-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina Analanjirofo Berthieu RATSIMBAZAFY.

Vinavinaina ho amin’ny faran’ny taona 2024 no hamaranana ny antontan-taratasy hahafahana hiroso amin’ny fampidirana izao tetik’asa izao eo anivon’ny foiben’ny UNESCO .