TAGNAMARO DISTRIKAN’I ANKAZOABO (FARITRA ATSIMO-ANDREFANA)

Tontosa ny Asabotsy 30 Desambra 2023 tao amin’ny kaominina ambanivohitry ny Tandrano Distrikan’ Ankazoabo Atsimo ny Tagnamaro fandiovana ny manodidina biraon’ny kaominina sy Tobim-pahasalana CSBII.

Tonga nadray anjara tamin’izay ny avy @ kaominina , Fahasalamana , Lehiben’ny Fokontany sy ny lefiny ,mpampianatra , mpivarotra, FFKM, ary Fokonolona, izay notarihin’ny Delegasionan’ny Serasera sy ny Kolontsaina ato Ankazoabo Atsimo.