TAGNAMARO ANALALAVA

Rakotra Tagnamaro ny tanàna.

Io no azo ilazana ny hetsika nisy teto Analalava, androany Asabotsy 17 Desambra, izay andro natokan’ny Ministeran’ny Serasera sy Kolontsaina hanatanterahana ny « Tagnamaro andron’ny olom-pirenena ».

Niavaka ny teto Analalava androany, fa toerana telo samy hafa no indray nanaovana ny hetsika: andaniny dia ny fanadiovana ny manoloana ny biraon’ny Distrika, ankilany dia ny fanadiovana ny kianjan’ny fahaleovantenam-pirenena ary ambonin’izany dia fanadiovana ireo tatatra izay hita fa tena tsentsina.

Ity farany, mba ho entina indrindra hofisorohana ny mety fiakaran-drano rehefa tonga mikija ny orana mandritra ity fotoam-pahavaratra ity.