ย ยป ๐‘ต๐’๐’”๐’š ๐‘ด๐’‚๐’๐’“๐’Š๐’”๐’š: ๐’Ž๐’‚๐’•๐’๐’•๐’“๐’‚ ๐’”๐’š ๐’Ž๐’‚๐’‰๐’‚๐’—๐’†๐’๐’๐’Ž๐’ƒ๐’๐’๐’ ๐’๐’š ๐’‡๐’Š๐’‚๐’“๐’‚๐’‰๐’‚-๐’Ž๐’Š๐’‚๐’”๐’‚ ๐’†๐’ ๐’‚๐’Ž๐’Š๐’’๐’๐’š ๐’”๐’†๐’‰๐’‚๐’•๐’“๐’š ๐’๐’š ๐’Œ๐’๐’๐’๐’๐’•๐’”๐’‚๐’Š๐’๐’‚ ยซย .

Nanao fitsidihana ara-pomba fifanajana ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina ๐€๐๐ƒ๐‘๐ˆ๐€๐Œ๐€๐๐€๐๐Ž๐‘๐Ž ๐€๐ฎ๐ ๐ฎ๐ฌ๐ญ๐ข๐ง ny alatsinany 26 febroary lasa teo ny masoivohon’i nosy Maorisy monina sy miasa eto amintsika ๐…๐ซ๐š๐ง๐œฬง๐จ๐ข๐ฌ๐ž ๐‹๐€๐๐„๐‹๐‹๐„.

Mivelatra amin’ny sehatra maro ny fifandraisan’i Madagasikara sy Maorisy ary manan-danja ny fifandraisana ara- tantara sy ara-kolontsaina. Isan’ny lahadiniky ny roa tonta ny fanavaozana sy fanaovantsonia ny drafitra mamaritra ny fiaraha-miasa momba ny kolontsaina eo amin’ny firenena roa tonta, izay hotanterahina tsy ho ela ary hanamora ny fifanakalozana sy ny fifaneraserana eo amin’ny artista malagasy sy maorisiana.
Hanombohana sahady izany fanavaozam-piaraha-miasa izany dia hanatanteraka hetsika iombonana ny ministeran’ny Serasera sy ny Kolontsaina sy ny masoivohon’ny Maorisy ny tapaky ny volana aprily izao, ho fahatsiarovana ny ๐’Ž๐’‘๐’‚๐’๐’‹๐’‚๐’Œ๐’‚ ๐‘ด๐’‚๐’๐’‚๐’ˆ๐’‚๐’”๐’š ๐‘น๐’‚๐’•๐’”๐’Š๐’•๐’‚๐’๐’•๐’‚๐’๐’Š๐’๐’‚, izay nalefa sesitany tany Maorisy ary nitari-tolona nanohitra ny fanandevozana sy ny fanjanahantany 202 taona lasa izao.
Tafiditra ao anatin’ny tantaran’ny nosy Maorisy ny Mpanjaka Ratsitantanina ary manaporofo izany ny fisian’ireo toerana mitondra ny anarany any antoerana. Tompon’izany tantara izany ihany koa isika Malagasy hoy ny minisitry ny Kolontsaina sy ny Serasera, antony hanatanterahana io hetsika io eto Madagasikara ho fahatsiarovana azy sy ho fampahafantarana ny momba azy amin’ny vahoaka Malagasy.
Nodinihina nandritra ity fihaonana ity ihany koa ny fomba hanataterahana ireo lahadinika samihafa noresahan’ny filoha Andry Rajoelina tamin’ny Praiminisitra maorisiana nandritra ny fihaonana antampon’ny Vondrona afrikana tany Addis Abeba farany teo.