HAREMBAKO-PIRENENA PIC SAINT LOUIS ANY TOLAGNARO

𝗠𝗶𝗹𝗮 𝘁𝗿𝗮𝗻𝗱𝗿𝗮𝗵𝗶𝗻𝗮 𝗶𝗿𝗲𝗼 𝗵𝗮𝗿𝗲𝗺-𝗯𝗮𝗸𝗼𝗸𝗮 𝗺𝗯𝗮 𝗵𝗮𝗺𝗲𝗹𝗼𝗻𝗮

Vita sonia omaly Alakamisy 29 Febroary 2024 teny amin’ny IVOKOLO Analakely ny fifanaraham-piaraha-miasa eo amin’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina tarihin’ny minisitra 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐀𝐌𝐀𝐍𝐀𝐍𝐎𝐑𝐎 𝐀𝐮𝐠𝐮𝐬𝐭𝐢𝐧, ny tetikasa PIC (Pôles intégrés de Croissance) niaraka tamin’ny Mpandrindra Nasionaly 𝐑𝐀𝐊𝐎𝐓𝐎𝐍𝐃𝐑𝐀𝐙𝐀𝐊𝐀 𝐋𝐚𝐝𝐢𝐬𝐥𝐚𝐬 𝐀𝐝𝐫𝐢𝐞𝐧 ary ny Governoran’ny Faritra Anôsy 𝐑𝐀𝐊𝐎𝐓𝐎𝐕𝐄𝐋𝐎𝐌𝐀𝐍𝐀𝐍𝐓𝐒𝐎𝐀 𝐕𝐨𝐚𝐡𝐚𝐫𝐲, momba ny fanajariana sy fanatsarana ny harembakom-pirenena “𝑷𝒊𝒄 𝑺𝒂𝒊𝒏𝒕 𝑳𝒐𝒖𝒊𝒔” any Taolagnaro.

Hametrahana fotodrafitrasa hanamora ny fitsidihan’ny sokajin-taona rehetra azy, toy ny tohatra, ireo lalam-pitsidihana (circuits) miisa 3 mitondra any amin’ny 600 metatra misy ny tendron’ity tendrombohitra ity na ny Pic Saint Louis.

Valo volana no faharetan’ny asa ary kendrena ho azo tsidihina mialoha ny faran’ny taona. Hamafisina koa ny fampahafantarana azy maneran-tany sy ny fikojakojana ireo fotodrafitrasa.

 » 𝘕𝘺 𝘒𝘰𝘭𝘰𝘯𝘵𝘴𝘢𝘪𝘯𝘢 𝘢𝘮𝘪𝘯’𝘯𝘺 𝘮𝘢𝘩𝘢 𝘩𝘢𝘳𝘦𝘮𝘣𝘢𝘬𝘰𝘬𝘢 𝘢𝘻𝘺 𝘥𝘪𝘢 𝘭𝘰𝘩𝘢𝘳𝘢𝘯𝘰𝘯-𝘬𝘢𝘳𝘦𝘯𝘢 𝘮𝘪𝘷𝘰𝘺 𝘧𝘢𝘮𝘱𝘢𝘯𝘥𝘳𝘰𝘴𝘰𝘢𝘯𝘢 𝘢𝘳𝘺 𝘮𝘪𝘵𝘦𝘳𝘢𝘬𝘢 𝘩𝘢𝘳𝘦𝘯𝘢 𝘩𝘰 𝘢𝘯’𝘪𝘳𝘦𝘰 𝘪𝘻𝘢𝘺 𝘮𝘢𝘩𝘢𝘺 𝘮𝘪𝘵𝘳𝘢𝘯𝘥𝘳𝘢𝘬𝘢 𝘪𝘻𝘢𝘯𝘺  » hoy ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, ANDRIAMANANORO Augustin. Hahazo tombony amin’ity tetikasa ity araka izany ny fizahantany sy ireo mpisehatra rehetra fa indrindra ny toekarena amin’ny ankapobeny any amin’ny Faritra Anôsy.

Ity fifanarahana vita sonia omaly ity dia maneho hatrany ny fitokisan’ireo mpiara-miombona antoka amin’i Madagasikara ary manohana ny vina fampandrosoana napetraky ny Filoham-pirenena miankina amin’ ny fampandrosoana ny fototra maha olona, ny fampiroboroboana ara-toekarena ary ny fanjakana tsara tantana.