« ???????? ?? »

T????? ?? ??’?? ??????????’?? ??????????? ?? ?? ??????????

Manomana ny  » ???????? ?? » ny ministeran’ny serasera sy ny kolontsaina amin’izao fotoana izao. Hetsika natokana hampivelatra ireo orinasa misehatra amin’ny kolontsaina sy ny famoronana izy ity, hatao ao amin’ny ny ?????’?? ??????????? ?? ?? ????????????-???? ????’?? 18-19-20 ?????? ho avy izao.
Tanjona amin’ity hetsika ity ny fampihaonana ireo mpisehatra amin’ny orinasan-kolontsaina sy ny fampahafantarana fa azo atao ny mivelona sy ny ho lasa matianina amin’ireny orinasan-kolontsaina ireny. Tanjona koa ny fitaomana ny mpanjifa hampivelatra ny fahalalana momba ny kolontsaina sy ny famoronana.
Hisokajy telo lehibe fampirantiana mandritra ny hetsika dia ny fampirantiana mikasika ny boky, ny mikasika ny kanto hita maso ary fahatelo ny mikasika ny mozika sy lamaody ary sinema.
Tranoheva 50 sy mpampiranty 70 eo ho eo no andrasan’ny minisitera handray anjara amin’izany. Hisy koa fampisehoana sy dinidinika na fizarana traikefa (Masterclass) ary famelabelaran- kevitra mandritra io telo andro io.
Antenain’ny minisitera hamoaka fiaraha-miasa maro amin’ny samy mpisehatra amin’ny kolontsaina ity hetsika ity sady hampivelatra azy ireo tsirairay indrindra indrindra.

Marihina fa maimaim-poana avokoa, ny fandraisana anjara amin’ity hetsika ity. Ary maimaim- poana ihany koa ny fahafahana mitsidika sy mandray anjara amin’ireo fizarana traikefa sy famelabelaran-kevitra rehetra.