FAMBOLEN-KAZO 2024: ROVAN’AMBOHIMANGA

Hazo zanatany arivo fototra ahitana karazany miisa 15 no nambolen’ny fianakaviamben’ny minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina notarihin’ny minisitra 𝐀𝐍𝐃𝐑𝐈𝐀𝐌𝐀𝐍𝐀𝐍𝐎𝐑𝐎 𝐀𝐮𝐠𝐮𝐬𝐭𝐢𝐧 androany 24 febroary 2024 teny amin’ny 𝑅𝑜𝑣𝑎𝑛’𝐴𝑚𝑏𝑜ℎ𝑖𝑚𝑎𝑛𝑔𝑎, ho fandrakofana ala indray ity toerana manan-tantara teo amin’ny fitantanana an’i Madagasikara ity.

Manana adidy amin’ny fikojakojana itony faritra manan-tantara sy harembakoka maneran-tany itony ny minisitera, hoy ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina ANDRIAMANANORO Augustin. Ezahina, hoy izy, ny hanitarana izao fambolen-kazo izao amin’ireo vohitra 12 eto Imerina.

Noho ny fiovaovan’ny toetry ny andro dia tsikaritra ho nihena ny isan’ny hazo maniry eny an-toerana. Izany no nanosika ny minisitera hisafidy ity toerana ity hambolena hazo.

Ny Rovan’Ambohimanga izay manana ny antsoina hoe  » 𝐯𝐢𝐭𝐫𝐢𝐧𝐞 𝐟𝐥𝐨𝐫𝐢𝐬𝐭𝐢𝐪𝐮𝐞 𝐞𝐧𝐝𝐞́𝐦𝐢𝐪𝐮𝐞  » ahitana karazana hazo manodidina ny 30 isa, ary kendrena ho rakotra ireo hazo zanatany rehetra misy eny an-toerana afaka dimy taona.

Ireto avy ny karazana hazo zanatany novolen’ny ekipan’ny minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina androany: 𝑎𝑚𝑜𝑛𝑡𝑎𝑛𝑎 , 𝑎𝑣𝑖𝑎𝑣𝑦, ℎ𝑎𝑠𝑖𝑛𝑎, 𝑎𝑚𝑏𝑜𝑟𝑎, ℎ𝑎𝑧𝑜𝑡𝑜𝑘𝑎𝑛𝑎, 𝑎𝑛𝑑𝑟𝑎𝑟𝑒𝑧𝑖𝑛𝑎, 𝑧𝑎ℎ𝑎𝑛𝑎, 𝑣𝑎𝑛𝑑𝑟𝑖𝑘𝑎, 𝑎𝑚𝑖𝑛𝑎, 𝑘𝑎𝑓𝑒𝑎𝑙𝑎, 𝑡𝑠𝑖𝑡𝑜𝑎𝑣𝑖𝑛𝑎, ℎ𝑎𝑧𝑜𝑚𝑏𝑦, 𝑡𝑎𝑚𝑏𝑖𝑡𝑠𝑦, 𝑛𝑜𝑛𝑜𝑘𝑎, 𝑎𝑟𝑦 𝑘ℎ𝑎𝑦𝑎 𝑚𝑎𝑑𝑠𝑖𝑠.

#vakoka #kolontsaina #ambohimanga #fambolenkazo #MSK