AKON’ NY FANAMARIHANA NY IRAY VOLAN’ NY TENY MALAGASY MANERANA NY FARITRA

??????????-??????? ?? ???????? ?? ?? ??????????? ????????

Hetsika fifaninanana soratononina no anisany nanamarika ny iray volan’ny teny malagasy tao amin’ny faritra Ihorombe. Notolorana loka ny 21 jona 224 ny telo voalohany avy amin’ny sekoly ambaratonga fototra sy faharoa ary fahatelo.

??????????-??????? ?? ???????? ?? ?? ??????????? ???̂??

Fifaninanana soratononina sy ny voambolana ho an’ireo mpianatra avy amin’ny sekoly miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana no nentin’ny Faritra Anôsy nankalazana ny iray volan’ny teny malagasy ny 5 Jona 2024 lasa teo tany Fort-Dauphin. Samy nankalaza avokoa ireo Distrika Telo ao anatin’ny Faritra Anôsy nandritra ny volana Jona.

??????????-??????? ?? ???????? ?? ?? ??????????? ?????? ?????????

Vela-kevitra momba ny literatiora , kabary amin’ny fitenim-paritra sy tantara an-tsehatra, narahana afondasy nitantarana tampasisy na angano no nanamarihana ny iray volan’ny teny malagasy tao amin’ny faritra Atsimo Andrefana, ny 14 jona 2024. Nandray anjara tamin’izany ny mpianatra sy mpampianatra mpikaroka avy amin’ny Sampana Malagasy, Oniversiten’Antananarivo. Nisy koa hetsika “Alin’ny teny malagasy” ny zoma 21 jona 2024, niaraha-nisalahy tamin’ny Oniversiten’i Toliara.

??????????-??????? ?? ???????? ?? ?? ??????????? ??????? ???????

Fifaninanana kabary sy tononkalo ary jijy, mifanaraka amin’ny lohahevitra hoe “teny malagasy: mahômby, mahalaza raha”no hetsika nisongadina tany amin’ny faritra Alaotra Mangoro, izay natao ny 21 jona 2024, tao amin’ny Tranoben’ny Serasera sy ny Kolontsaina Masinjara Ambatondrazaka.

??????????-??????? ?? ???????? ?? ?? ??????????? ??????

Hetsika fampahafantarana mpanoratra zanaky ny faritra sy ny sanganasany, fifaninana soratononina no anisan’ny nanamarika ny iray volan’ny teny Malagasy 2024 tao amin’ny faritra Melaky. Mpianatra 6 tena mahay manoratra teny malagasy no nahazo loka tamin’ny fifaninana.

??????????-??????? ?? ???????? ?? ?? ??????????? ?????? ??????????

Hetsika fifaninanana soratonona natao ny 19 jona 2024 no nanamarika ny iray volan’ny teny malagasy ho an’ny faritra Atsimo Atsinanana. Mpianatra T4, T8, ary T11 miisa 48 no andray anjara tao an-drenivohitry ny faritra.

??????????-??????? ?? ???????? ?? ?? ??????????? ??????????Antsa tononkalo, soratononina sy vela-kevitra momba ny literatiora no nanamarika ny iray volan’ny teny malagasy ho an’ny faritra Fitovinany, izay natao ny 19 jona 2024 tao amin’ny Lycée Sileny Paul Manakara.

??????????-??????? ?? ???????? ?? ?? ??????????? ??????’? ?????

Fifaninana mamorona angano sy mamaky angano ho an’ny mpianatra no nanamarika ny iray volan’ny teny malagasy tao amin’ny faritra Amoron’i Mania, izay natao ny 14 jona 2024 tao amin’ny Alliance Française Ambositra.

??????????-??????? ?? ???????? ?? ?? ??????????? ????????????

Famelabelaran-kevitra miompana amin’ny lohahevitra “teny malagasy: mahômby, mahalaza raha” sy fanentanana amin’ny famakiana boky no nanamarika ny iray volan’ny teny malagasy ho an’ny faritra Analanjirofo, izay natao tao Vavatenina ny 14 jona 2024.

??????????-??????? ?? ???????? ?? ?? ??????????? ?????????

Fifampizarana kabary amin’ny fitenim-paritra nandraisan’ny avy amin’ny foko Antaimoro, Antandroy, Betsileo, Merina anjara tao amin’ny Tosik’Art Tsiroanomandidy no anisan’ny nanamarika ny iray volan’ny teny malagasy hoa n’ny faritra Bongolava ny 14 jona 2024. Ny 12 jona no nanokafana ny hetsika, tamin’ny alalan’ny antsa tononkalo sy kabary, noravahana mozika.

??????????-??????? ?? ???????? ?? ?? ??????????? ?????Famelabelarana momba ny fahasamihafan’ny fiteny sy fampianarana fitenim-paritra tao amin’ny tranoben’ny Serasera sy ny Kolontsaina, Akôry haly, Mahajanga no anisan’ny nanamarika ny iray volan’ny teny malagasy ho an’ny faritra Boeny, izay natao ny 12 jona 2024.

??????????-??????? ?? ???????? ?? ?? ??????????? ?????

Fanolorana mari-boninahitry ny kanto sy ny soratra ary ny kolontsaina ho ana mpikabary miisa 22 no nanamarika ny iray volan’ny teny malagasy ho an’ny faritra Diana, izay natao tao amin’ny Tranoben’ny Serasera sy ny Kolontsaina “Banja” Antsiranana ny 22 jona. Hetsika ara-kolontsaina maro kosa no nanokafana izany ny 8 jona, izay nahitana fampirantiana fomba, tantara, volaña isam-paritry, ary fifaninana samihafa.

??????????-??????? ?? ???????? ?? ?? ??????????? ??????????Seho an-tsehatra niarahana tamin’ny mpianatra ao amin’ny ZAP Andramasina, nahitana tononkalo, kabary, vakodrazana, sy fifaninanana fanorona ary fandefasana horonantsary fampahafantarana ny vakoka no nanamarika ny iray volan’ny teny malagasy ho an’ny faritra Analamanga. Teo koa ny hetsika tao amin’ny ZAP Talatamaty, Ambohidratrimo.