KAOMININA ANJOMA BETOHO

KAOMININA ANJOMA BETOHO: Navaozina tamin’ny alalan’ny Tagnamaro ny CSB sy ny ivo-toeram-piterahana.

Kaominina Ambanivohitra ao anatin’ny distrikan’i Manjakandriana i Anjoma Betoho, 12 km monja miala ny RN2 mitsofoka any Manankavaly fa saingy ratsy lalana ka lasa mitoka-monina.

Io kaominina io no nosafidian’ny ekipan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina hanaovana TAGNAMARO manokana tamin’ity androany ity, noho ny fahitana fa efa antitra ny fotodrafitrasam-panjakana tahaka ny toeram-pitsaboana CSB sy ny toeram-piterahana Maternité.

Hetsika nanohizan’ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO avy hatrany ny asany taorian’ny fanamafisam-pitokisana izay nasehon’ny Filohan’ny Repoblika sy ny ny Praiminisitra lehiben’ny Governemanta ka nanavaozana ny fanendrena azy indray omaly eo amin’ny andraikiny.

Nandritra ny lahateniny teo anatrehan’ireo vahoaka vory maro no nitondran-dRamatoa minisitra ny fisaorana ireo lehibeny roa ireo noho izay fitokisan’izy ireo izay.

Nasiam-panavaozana tamin’ny alalan’ny fiaraha-mientan’ny fokonolona araka izany ireo toerana roa ireo, niampy ny zaridaina lehibe izay nohajariana teo ivelany.

Nazoto tanteraka tamin’ny fandraisana anjara nandritra ity Tagnamaro manokana ity ireo fokonolona maro dia maro avy amin’ireo fokontany manodidina sy ny teo an-tanàna.

Nanampy tosika tamin’ny fanafainganana ny asa ihany koa ireo tompon’andraiki-panjakana eo anivon’ny Distrikan’i Manjakandriana, notarihin’ny Lehiben’ny Distrika, ny ben’ny tanànan’i Anjoma Betoho sy ny mpiara-miasa aminy, ireo fikambanana Ben’ny tanàna eo anivon’ity distrika ity ary ireo zandary.

Tafita ny lalantsaina fonosin’ny Tagnamaro raha ny fahazotoan’ireo fokonolona nandray anjara nandritra izany tany Anjoma Betoho.