AKON’NY TAGNAMARO : ANTSIRANANA 1

Tontosa androany 16 Aprily 2022 ny TAGNAMARO izay nataon’ny Fikambanan’ny Filohan’ny 25 Fokontany eto Antsiranana-I izay tarihin’ny Filoha Sergino KADER.

Fanavaozana ny lokon’ny biraon’ny fokontany « Avenir » no niaraha-nanao satria ity no birao anisan’ny ela indrindra eto Antsiranana, tamin’ny taona 1978 no nananganana ity birao ity ary efa ela tsy nisy nanavao ny lokony.