TRANOMPOKONOLONA MAROANTSETRA

NIVERINA NAHAZO ENDRIKA VAO TAMIN’NY ALALAN’NY TAGNAMARO GOAVANA.

Namarana ny asa nandritra ny dian’ny delegasion’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina notarihin-dℝ?????? ????????? ????????? ℝ????????????? ?ℕ?ℝ????ℕ??ℝ??? tany Maroantsetra ny asa goavana nanarenana ny Tranompokonolona ao an-toerana izay efa simba dia simba.

Niara-nientana nandritra ity hetsika ???ℕ???ℝ? goavana ity androany ireo vahoakan’i Maroantsetra, ny mpiara-miasa ao an-toerana nohatevenin’ny mpitantana ny Minisitera avy aty Antananarivo notarihin-dRamatoa Minisitra.

Nifanome tànana tanatin’ny asa ihany koa ireo olom-boatendry sy olom-boafidy tao an-toerana : ny Filoha Lefitry ny Antenimieran-doholona misahana ny Faritra Avaratra, ny Governoran’ny Faritra Analanjirofo, ny Solom-bavam-bahoaka, ny Préfet sy ireo tompon’andraikitra samihafa any an-toerana.

Nitondra fanampiana manokana ara-pitaovana ho famitana izao asa lehibe niaraha-nisalahy izao ny Filoha Lefitry ny Antenimieran-doholona misahana ireo faritra avaratra Andriamatoa ???? ?????.

Simba avokoa ny ankamaroan’ny pitsopitsony rehetra tao amin’ity Tranompokonolona ity. Nosoloina araka izany ireo tafo efa simba, nolokoina ny tafo, nolokoina ny vata-trano anatiny sy ivelany, ireo varavarana rehetra, namboarina ny tamboho, navaozina manontolo ny dallage, nosoloina ihany koa ny « fâî??è?? ». Ankoatra ireo ny fanadiovana ny manodidina ny toerana.

« ?????? ?? ??????? ?? ?? ?????-?????? ???????’?? ????????? ???? ?? ??? ???????????? ???????? ????????? ???? ??? ????? ????????? ???????? ?? ???????? ?????? ???? », hoy ℝ?????? ????????? ????????? ℝ????????????? ?ℕ?ℝ????ℕ??ℝ???.

Mbola nanentana hatrany izy ny amin’ny tokony handraisan’ny rehetra anjara amin’ny hetsika tahaka izao, mba ho tena olom-pirenena vanona sy mandray andraikitra.