NDAO HAMAKY BOKY

Mitohy hatrany ny programan’asa Ndao hamaky boky ary natomboka androany ny hetsika hiarahan’ny Tranombokim-pirenena eto Madagasikara sy ny Orange Solidarité Madagascar.

Ambohimanga no « Village Orange » nosafidiana hanombohana ity fiaraha-miasa ity ary notanterahana tao amin’ny CEG sy ny EPP Ambohimanga Rova ny hetsika ‘Ndao hamaky boky.

Toy ny mahazatra dia nisy hatrany ny fifampizarana ireo boky novakian’ireo ankizy. Nisy ihany koa ny fanomezan-danja ireo mpanoratra malagasy ary nahazo sehatra tamin’izany i Rakemba izay mpanoratra sy mpitantara angano, Zara Ainga ary i Riri izay mpanao sary.

Ny hetsika dia hitohy hatrany ary Village Orange hafa indray no hisitraka izany amin’ny manaraka.