MSK- MANOOVA

Vita sonia androany ny fifanaraham-piarahamiasa ho fanatsarana ny OMDA, hanomboka ny 1 jolay ny fandraisana ny sangan’asan’ny mpamorona sy ny fisoratana anarana.

Nandritra ny herintaona ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina no niketrika ny drafi-panavaozana ny OMDA izay nitondra amin’ny fametrahana rindram-baiko manokana hitantanana ny zon’ny mpamorona, izay niarahana niasa tamin’ny orinasa MANOOVA.

Vonona tanteraka io rindram-baiko io ankehitriny, ka manomboka ny 1 Jolay izao ny fanangonana ireo sanganasa amin’ny endriny niomerika (numérisé na digitalisé) ho ampidirina anatiny. Etsy amin’ny eftirano Gisèle Rabesahala ao amin’ny Tranombokim-pirenena Anosy no hanaovana izany. Ho raisina avokoa ireo endrika itoeran’ny sanganasa izay entin’ny mpanakanto mpamorona : bande magnétique, disque vinyle, cassette audio na vidéo, CD audio na vidéo, DVD, disque dure, Clé USB, carte mémoire ankoatra ny fampidirana ireo sanganasa anabaka.

Amin’ny maha rindram-baiko manaraka ny teknolojia azy, mametraka ny sangan’asany any amin’ireo mpiara-miasa eo anivon’ny MANOOVA ireo mpanakanto sy mpamorona ka izy ireo avy eo no mampiditra izany ao anatin’ity rindram-baiko fanaraha-maso ity amin’ny fandehanan’ireo sangan’asa ireo amin’ny onjam-peo na fahitalavitra fa indrindra ireo fitaovana ahafahana mijery na mihaino hira toy ny YouTube, Spotify sy ny maro hafa.

Ankoatra izay tsiahivina fa anatin’ny drafi-panavaozana ny fametrahana fiaraha-miasa matotra amin’ireo Label sangany any ivelany toy ny Universal Music sy ny Virgin Music. Androany no natao ny fifanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa teo amin’ny Minisiteran’ny Serasera sy Kolontsaina sy ny orinasa MANOOVA.

Mbola nampatsiahivin-dRamatoa Minisitra Lalatiana RAKOTONDRAZAFY ANDRIATONGARIVO hatrany androany fa: « tsy mibodo hitazona ny fitantanana ny OMDA ny minisitera, ary efa nanolo-kevitra ny hanaovan’ny artista tolo-dalàna hananganana ny antsoina hoe orinasan’ny mpamorona (????é?é ?’??????) hotantanan’ny samy mpanakanto mpamorona fa tsy hidiran’ny fanjakana intsony».