TAGNAMARO ANTSIRABE

Namaha ny olan’ireo mponina ny asa goavana nifanomezana tanana

Tany amin’ny Fokontany Antanety Tsarafandry, Kominina Ambonivohitra Antsirabe, Distrikan’Antsirabe I, Faritra Vakinankaratra no nanombohan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina, ny Tagnamaro voalohany ho an’ity taona 2023 ity, izay notarihin-dRamatoa Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy ANDRIATONGARIVO.

Goavana dia goavana ny asa natao tamin’izany, isany ny fanamboarana tanteraka ny lalana mirefy 90 metatra izay navadika rarivato mba tsy hampidi-doza ireo mponina, indrindra fa ireo mpianatra izay voatery miampita tanimbary mialohan’ny hamonjena sekoly.

Natsangana ihany koa ny tetezana mirefy 50 metatra mampifandray ny Fokontany Antanety amin’Ambohimena Atsimo, izay misy ireo orinasa afakaba sy toeram-piasan’ny mponina sasany.

Nosafidiana manokana ity Fokontany ity araka ny fangatahan’ireo mponina, noho ny fahasahiranana niainan’izy ireo an-taonany maro. Ratsy tanteraka mantsy ny lalana mihazo izany fokontany izany amin’ireo faritra manodidina, vokany dia nanjaka izay tsy izy ny tsy fandriam-pahalemana.

Narisika ny rehetra tamin’ny fandraisana anjara tamin’ity Tagnamaro voalohany ho an’ny taona 2023 ity, izay nahitana ireo mpianatra avy eo anivon’ny Akademia Miaramila (ACMIL), ireo mpianatra ho polisy avy amin’ny ENIAP, ireo zandary, ireo mpiasa avy amin’ny sampan-draharaham-panjakana samihafa, mpianatra eny amin’ny manodidina mampiasa io lalana io, indrindra fa ireo mponin’Antanety.

Namaly ny fangatahan’ireo mponina ihany koa Ramatoa Minisitra amin’ny fampisitrahana jiro hanazava ny tanana ka nanolotra « lampadaire » miisa 18 hanamafisana ny ady amin’ny tsy fandriam-pahalemana eny an-toerana. Nankasitraka ny asa sy ny ezaka mankadiry natao izy ireo tamin’izany.