TAGNAMARO FORT-DAUPHIN

Fanatsarana sy fanadiovana ny TOTOHA-BATO mampitohy ny Fokontanin’ny Bazarikely sy ny Fokontanin’ny Ampotatra, no nanamarihana ny ANDRON’NY OLOM-PIRENENA tandroany teto amin’ny renivohitrin’ny Faritra Anosy.

Nanjary madio sy malalaka io toerana io ankehitriny, raha toa ka nataon’olona sasany tsy sakaizan’ny fahadiovana toerana fanariana fako sy fanaovana maloto izy teo aloha.

Marihina fa an-jatony maromaro ny olona, fa indrindra ny mpianatra, mampiasa sy mivezivezy amin’ity totoha-bato ity.

Ny Fitaleavam-Paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina Anôsy no nitarika.

Ary fikambanana maromaro toy ny Fikambanana Hoavinign’Anôsy Miatriky Fort-Dauphin, Fikambanana KIADY , ny Fikambanana Vehivavy Mahamanina ary ny Mpikambana ao amin’ny Parlemantan’ny Tanora no niara nanao TAGNAMARO tamin’ity andiany faha 5 amin’ity taona 2022 ity.

Ny Kaominina Ambonivohitrin’ny Faradofay no mpanohana ara-pitaovana.

Ny FPSK Anôsy dia mankasitraka eram-po , eran-tsaina antsika rehetra nandray anjara.