TAGNAMARO DISTRIKAN’I MORAMANGA.

Tao amin’ny fokontany Ambohimanjaka kaominina ambanivohitra Ambohidronono no nanamarika ny hetsika TAGNAMARO ny Delegasionan’ny Serasera sy ny Kolontsaina Moramanga niaraka tamin’ny Solombavambahoaka Augustin RAKOTONIRINA, ny sabotsy 17 jona 2023.

Asa fanamboarana tetezana 11 metatra no natao tao anatin’izany niarahana tamin’ireo fokonolona. Nisy ihany koa ny fanomezana akanjo mafana ho an’ny Zokiolona sy fanampiana ny CEG ao an-toerana.