TAGNAMARO BORIZINY (PORT-BERGER): Hetsika andiany faharoa

Niavaka ny Tagnamaro andron’ny olom-pirenena teto BORIZINY fa navitrika tokoa ny olona ka nahavita dingan-dava ho amin’ny tombontsoa iombonana tamin’ny alalan’ny Tagnamaro, amin’ny toerana roa samy hafa.

Ankoatry ny fandokoana ny tsangambaton’ny fahaleovantenam-pirenena izay efa voaresaka teny aloha dia nifamotoana tato amin’ny hopitalibe indray ny rehetra, izay nahitana fandraisana anjara mavitrika avy tamin’ireo mpiasa avy amin’ny sampandraharaha miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana. Ny fanesorana ireo ahitra izay zary lasa toeram-ponenan’ireo moka mitondra tazo no indray nodiovona teto.

Resy lahatra tokoa mantsy ny rehetra fa tanàna madio dia lavitry ny fanatodizan’ireo moka, ka ho loharano ipoiran’ny fahasalamana.