TAGNAMARO MORAMANGA

Niaraka nientana ireo sampandraharaham-panjakana sy tsy miankina nanadio sy nikarakara ny zaridaina manoloana ny biraon’ny Distrikan’i Moramanga, nandritra ny hetsika TAGNAMARO.

Nitarika ny asa ny avy eo anivon’ny Distrikan’i Moramanga, ny CU Moramanga ary niara-nisalahy tamin’ny fanentanana sy fanatontosana ny Delegasionan’ny Serasera sy ny Kolontsaina Moramanga. Manome endrika ny tanàna sy fipetrahan’ireo manan-draharaha hamonjy birao ity zaridaina ity izay vao nohajariana nomena endrika vaovao tamin’ny taon-dasa, ka natao izao mba ikojakojana ny fotodrafitrasa.