TAGNAMARO DISTRIKAN’I AMPANIHY ANDREFANA FARITRA ATSIMO-ANDREFANA.

Ny Zoma farany herinandro teo no tanteraka ny fotoam-pambolen-kazo hoan’ny Distrikan’Ampanihy Andrefana , antony manokana no nahatonga ny tagnamaro atao zoma raha hoan’ny Distrikan’Ampanihy satria ny andro Asabotsy dia andro tsena( Jours de Marché) mba anovany vahoaka fitediavam-bola

Zanaka fantiolitse miisa roarivo (2.000 )fototra no natsatoka novolena, ity fantiolotse ty izay hazo Mahazaka ny toe-tany sy hain-nandro raha ny nambarany lehiben’ny fiarovana ny ala eto amin’ny district Ampanihy .

Nambarany lehiben’ny district Ampanaihy Atoa THOMAS Jovin fa adidy amin’ny maha olom-pirenena izao ary tokony hahatsapa izany ny olon-drehetra ,Nambarany hatrany fa efa eo am-pihetseketsehana ihany koa ny filoha ny fokontany amin’ny ho tohiny izao fambolena izany , mba tsy hijanona ho tambabe fotsiny fa mba Samy tokony hisy isakiny fokontany koa .