AKON’NY TAGNAMARO VOLANA JONA- TOAMASINA 1 FARITRA ATSINANANA

Fanatsarana endrika ny araben’ny fahaleovan-tena tamin’ny alàlan’ny fandokoana sy fanadiovana ny tagnamaro natao teto Toamasina I ny

Sabotsy faha 17 Jona 2023 .

Eto amin’ity araben’ny Fahaleovantena ity no hanatanterahana ny ampahany betsaka amin’ny fankalazana ny Fetim-pirenana afaka andro vitsivitsy.

Ny Lehiben’ny Fileovana eto Toamasina sy ny sekretera jeneralin’ny faritra Atsinanana ary ny Talem-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina Atsinanana no nitarika ny TAGNAMARO.

Tonga navitrika ireo olom-pirenena avy amin’ny sehatra miankina amin’ny Fanjakana sy tsy miankina tonga nanome tanana ara-bakiteny sy nanome fitaovana noentina nanatanterahina izany.