FIANGONANA KATOLIKA AMBODIFOTATRA SAINTE-MARIE

FIANGONANA KATOLIKA AMBODIFOTATRA SAINTE-MARIE: nandray ny lamesa voalohany taorian’ny asa fanavaozana iray manontolo.

3 taona aty aoriana, vita tanteraka ny asa fanarenana iray manontolo ny Fiangonana Katolika Ambodifotatra Sainte-Marie izay niantsorohan’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina.

Androany araka izany no notokanan’ny Filoha Andry RAJOELINA niaraka tamin-dRamatoa Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina Lalatiana RAKOTONDRAZAFY ity fiangonana Katolika niorina voalohany teto Madagasikara tamin’ny taona 1847 ity.

Nasiam-panavaozana iray manontolo ny vata-tranon’ny fiangonana anatiny sy ivelany, raha toa ka ny taona 1987 no nisy ny fanatsarana farany natao tamin’izany fiangonana izany. Noho ny fahitana ny fahasimbana goavana izay efa natahorana hampirodana ny fiangonana mihitsy no nahatonga ny teo anivon’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina niroso tamin’ny asa fanamboarana ho an’ny fikojakojana.

Amin’ny maha vakoka ity fiangonana ity, notazonina avokoa ny rafitry ny tao-trano sy ireo fitaovana nanamboarana ny pitsony ao anatiny, indrindra fa ny akora nanarenana ny « Autel ».

Raha tsiahivina, ny volana febroary 2021 no natomboka ny asa fanamboarana sy fanatsarana ity fiangonana katolika Ambodifotatra Sainte-Marie ity. Ny Fiangonana katolika Ambodifotatra izay voasokajy ho harem-bakom-pirenena (patrimoine national) araka ny didi-panjakana laharana 83-170 ny 17 Mai 1983.

Ny volana novambra 2020 no vita tanteraka ny dingana samihafa tamin’ny tolo-bidy amin’ny maha-tsenan’asam-panjakana azy, ka ny volana febroary 2021 vao afaka nanomboka ny asa. Voatery nosoloina anefa ny orinasa nanao ny asa noho ny tsy fanarahany ny fenitry ny kalitao tamin’ireo asa natao ka izao vao vita tanteraka.

Anisan’ny harem-bakoka kasain’ny Minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina

hampidirina ao anatin’ny lisitry ny harem-bakoka maneran-tany (patrimoine mondial) ny Eglizy katolika Ambodifotatra ka efa ao anatin’ny dingana amin’izany ankehitriny ny Minisitera araka ny dinika efa nifanaovan-dRamatoa Minisitra tamin’ny CPM (Comité du Patrimoine Mondial) eo anivon’ny UNESCO nanomboka ny Novambra 2021 ary nitohy ny volana Jona 2023 lasa teo.

Ny volana Marsa 2022 no nisy ihany koa ireo manam-pahaizana avy amin’ny ICOMOS (International Council of Monuments and Sites) nijery ny Fiangonana ka nanao ny fanadihadiana mialoha (études en amont) hijerena raha manana ilay antsoina hoe « Valeur Universelle Exceptionnelle» hahafahana mampiditra azy ao anaty lisitry ny harem-bakoka maneran-tany ity Eglizy Katolika ity amin’ny maha-vakoka azy. Ny faran’ny volana Jolay izao kosa no ho avy eto Sainte-Marie ireo manam-pahaizana eo anivon’ny UNESCO hanohy ny dingan’ny fanadihadiana.