TAGNAMARO FORT-DAUPHIN

Tontosa soa aman-tsara tandroany teto Fort-Dauphin, ny hetsika Tagnamaro andiany faha 7 amin’ity taona 2023 ity.

Mihoatra ny 30 ny vondrona, izay ahitana olona mihoatra ny 200 isa, namaly ny antson’ny Komity Mpandrindra Tagnamaro eto Fort-Dauphin izay tarihin’ny Fitaleavam-paritry ny Serasera sy ny Kolontsaina Anôsy.
Tratra ny tanjona satria :
– nihanalalaka ny lalana pavé ka afaka ifanenan’ny fiara roa,
– niala ireo fako « plastique » izay niangona tao anaty akata sy tany nandritra ny taona maro,
– niala ireo fasika nanentsina ireo lakandrano ivoahany rano maloto,
– nihanazava ny lalana noho ny fahadiovana.
Mitondra ny teny fisaorana ho antsika rehetra izay nanatotosa ity hetsika TAGNAMARO ity, izay andron’ny olom-pirenena, hetsika fanehoana fitiava-tanindrazana, ny Kômity Mpandrindra Tagnamaro Anôsy.

« Ny fomba tsara indrindra hamisavisana ny hoavy, dia ny famoronana azy » Abraham Lincoln.