WOMEN LEADERSHIP ACADEMYΒ Β» NA π˜Όπ™†π˜Όπ˜Ώπ™€π™ˆπ™„π˜Όπ™‰’𝙉𝙔 π™‘π™€π™ƒπ™„π™‘π˜Όπ™‘π™” π™ˆπ™‹π™„π™π˜Όπ™π™„π™†π˜Ό: FANDAHARAN’ASAN’NY « 𝐹𝑂𝑁𝐷𝐴𝑇𝐼𝑂𝑁 𝐴𝐺𝐴 𝐾𝐻𝐴𝑁

Andriambavilanitra miisa 35 no mandrafitra ny andiany voalohany amin’ny fandaharanasan’ny Fondation AGA KHAN izay mampiofana an’ireto vehivavy vonona handray andraikitra sy mba hisehatra adidy bebe kokoa eo anivon’ny seha-piarahamonina misy azy ireo avy.

Ny Talata 12 Septambra hariva no natolotra tamin’ny fomba ofisialy teny amin’ny Domaine Ilo Ambohidratrimo izy ireo, no sady fanombohana ihany koa an’ity seha-piofanana ity.
Ramatoa Minisitra Lalatiana RAKOTONDRAZAFY no nosafidian’izy ireo ho Reny mpiahy sy mpitarika azy ireo.
Vehivavy kanto sy mavitrika ary manana vina avokoa no mandrafitra an’ity andiany voalohany ity.

Azo ireharehana hoy Ramatoa Minisitra rehefa afaka enim-bolana dia hitombo 35 ireo mpitarika vehivavy ho modely miavaka sy filamatra ho an’ny fiaraha-monina indrindra fa ny vehivavy amin’ny sehatra sy tontolo misy azy ireo avy.

#womenleadershiprogram

#ASA_sy_EZAKA

#fondationagakhan