IVOKOLO Analakely.

Manasa anao indray hitsidika sy hanjifa ny varotra fampirantiana sary hosodoko izay tanterahina ao amin’ny IVOKOLO Analakely manomboka anio Alakamisy faha 21 Septambra.

Ry JACQUES NAÏF sy WILLIAM indray no handranty ao amin’ny Galerie d’Art R.R RAPARIVO manomboka anio, ary tsy hifarana raha tsy ny 01 Novambra 2023.
« MADAGASIKARA MAITSO » no lohahevitry ny fampirantiana, entina hamporisihana ny olona hanaja sy hikolokolo ny tontolo iainana eto amin’ny firenentsika.
Tsy misy vidimpidirana.